Blaogin'i Ulrich

10/24,2018

Nanimba ny toe-tsain'ny Malagasy maro ny tambazotran-tserasera Facebook

Nampidirin'i ulrichandry : 09:42

    Lasa toerana entina hanimbana ny toe-tsain'ny Malagasy fotsiny ny tambazotran-tserasera Facebook ankehitriny ary tsy ny toe-tsaina fotsiny ihany no simba amin'io fa ny fiainana iray manontolo mihintsy.

    Ankehitriny ny tambazotran-tserasera Facebook no anisan'ny tambazotra voalohany tena be mpampiasa indrindra raha eto Madagasikara manokana. Maro dia maro ny Malagasy mampiasa Azy ary tena manamarika ny fiainan'ny ankamaroan'ny gasy mihintsy io ankehitriny. Ao ny mety mampiasa Azy amin'ny zavatra tsara, mety hoe ao no ahitana client ho an'ny orinasa manonkana, mety hoe eo mba tsy dia tena mandany crédit rehefa mandefa hafatra aman'olona, afaka hifampizarana zavatra tsara maro e, ary izay no tena tanjon'ny Facebook hatramin'ny voalohany fa saingy misy ihany moa ny manondrana kely ary tena lasa diso manaraoraotra mihintsy aza amin'ny fanaovana ny asa ratsiny ao amin'ny Facebook. Ary tena tsy vitsy Izy ireo. Ankehitriny lasa misy ireo olona manao ny tambazotra Facebook ho lasa toerana entina hifosana sy hanaratsiana ny Malagasy hafa, entina hanimbana ny toe-tsaina maha-Malagasy, sns...
    Marina fa zavatra ratsy ary tena tsy mety ny hataon'ireo Malagasy sasany ireo fa na dia izany aza lasa misy vondrona mihintsy manaiky ny hanaovana an'io izay singaniko manokana eto ny vondrona " Video Mahalatsaka " izay anisan'ny toerana tena ahitana an'ireo Malagasy manao faux compte sy ireo tena mampiasa ny compte ny mba hanaovana fosa, fanaratsiana, hanalana baraka, ary handefasana zavatra hafahafa mihintsy aza indraindray. Ny tanjon'ny Vondrona anefa tsy Izany fony namoronana Azy fa entina hizarana vidéo mampihomehy sy mahafaly fa saingy ady sy tolona ary fanaratsiana no feno ao. Marina fa maro no te ho lasa olo-malaza fa saingy raha malaza amin'ny ratsy kosa anefa tena tsy mety ary tena mampalahelo akory Aza. Manimba ny fiainan'ny Malagasy ny fisian'io vondrona iray io ankehitriny satria maro ny te halaza ao anatin'io vondrona io dia mampiasa an'izao karazan-javatra ratsy izao mba hampalaza Azy haingana. Nisy ihany moa ireo sahy nijoro mba nampafantatra fa tsy mety izany saingy ilay nijoro indray aza ity no niala maina fa ny ankamaroan'ny Malagasy ao dia tia raha.

 

    Eo ihany koa ankehitriny ny resaka blocage sy piratage compte izay ataon'ireo Malagasy mpikirakira ny informatika. Amin'izao fotoana izao mantsy izay mba mihezaka ny manao ny tsara ao amin'ny Facebook ao no tena azon'izy ity ary tena ezahin'izy ireo esoriana ao mihintsy aza raha mety satria manimba ny asa ratsin-dry zareo. Lasa toerana fieren-jiolahy ny Facebook ankehitriny fa tsy mba ilay toerana natao hitafatafana toy ny fahiny intsony. 

    Maro dia maro tokoa ny tanora ankehitriny ny manao Azy io na ny sasany aza tena mbola kely mihintsy dia efa mikirakira an'ity tambazotra manimba ny fiainan'ny Malagasy ity ka mety ahatahorana hahita loza amin'io mihintsy. Fa ankehitriny lasa misy ny karazana tanora miady vokatr'io ihany koa. Eo ny olana aram-pitiavana, olana eo amin'ny samy mpinamana, olana eo amin'ny fianakaviana... lasa maro ny tanora manaonao foana sy mampiseho zavatra ratsy eo amin'io tambazotra io ary ny tena loza aza dia mahafaly ny maro ny mahita an'ireny zavatra ratsy ataon'ny tanora ireny ary mbola hamporisihina mihintsy aza Izy ireny hanao ny ratsiratsy kokoa hatrany... Aiza amin'izany ny fampianaran'ny olon-dehibe an'ireo tanora. Tsy maintsy misy ny olon-dehibe hiteny hoe "Ny tanora amin'izao mihintsy no tsy azo tenenina sy manao ny ataony" fa mba fanontaniana kely hapetrako amin'ireny hoe "ary ianareo olon-dehibe ve mba efa nihezaka ny nanitsy foana sa nahita zavatra ratsy kely tonga dia kivy ??? ". Misy aza ireo lehibe sasany mitarika ny tanora hanao ny ratsy ary misy mihintsy aza ny manao ratsy eto anatrehanay tanora ka tokony ho Izahay ve no diso amin'izany ???

    Misy ireo karazan'olona ihany koa manao fampielezam-baovao tsy marina eo amin'izany tambazotran-tserasera izany mba hanimbana ny toen-tsain'ny olona. Hanairana Azy amin'ny zavatra tsy tokony hahataitra Azy. Matetika mampandinika ihany ilay Izy hoe raha hitady laza sy voninahitra ihany ve dia hanao zavatra ratsy tsy hitondra anao ho Aiza akory. Mba mieritrereta ihany !!!

    Rehefa misy diso koa amin'izao dia lasa entina hofosaina eraky ny vondrona sy ny profil Facebook maro ilay Izy fa tsy mba nahitsy akory Izy... Nefa hitako ihany hoe misy ny karazan'olona manao fanahiniana mihintsy satria te mba hahazo réaction hono eh. Nefa réaction tsy hahazoana vola akory ny Azy.

    Tsy ny tambazotran-tserasera Facebook mihintsy no ratsy fa ilay toen-tsaintsika handraisana Azy. Misy ny tombontsoa azo raisina avy ao fa raha ny fanaovana zavatra ratsy kosa aloha hajanony amin'izay. Mbola betsaka ireo zavatra azonao atao mba hampalaza anao any ivelan'ny Facebook fa aza mba ao no hanaovana fanaratsiana hampalaza anao vetivety.

Hevitra (0) | Verindrohy (trackback) (0) | Ankapobeny


Hevitra


Hametraka hevitra

Hampiditra hevitra

E-mail me when comments occur on this article